fbpx
Aller au contenu
mobile-logo
  • Accueil
  • Soratra Masina
    • Andriamanitra
    • Jesoa Kristy
    • Fanahy Masina
    • Fiangonana
    • Vavaka
  • Fiainana Kristiana
    • Tanora
    • Fianakaviana
    • Finoana
    • Fanompoana
    • Haitarika
  • Ressources
    • Baiboly
    • Boky
    • Fampianarana
    • Média
    • Citations
  • Iza Moa Izahay?
  • Contact
Andeha Hizaha Discipleship

Andeha Hizaha Discipleship

Andeha Ho Mpianatr'i Jesoa
  • Accueil
  • Soratra Masina
  • Andriamanitra
  • Teolojia Kristiana
Andriamanitra,Soratra Masina
10/02/2022

Teolojia Kristiana

Maro ny mpino Kristiana na koa izay antsoina mahazatra hoe “mpivavaka” no mihevitra fa natokana ho an’ny antokon’olona notsongaina ny fianarana telolojia. Matetika izy ireny no tsy miraharaha mihitsy na dia ny fampianarana fototra mahakasika an’izany aza. Manampy trotraka moa ny tsy fahazarana mamaky boky ankehitriny noho ny antony samihafa. Fa eo ankilany koa anefa ireo mpitondra fiangonana izay manana fahalalana ny amin’izany teolojia izany no tsy mitaona sy mamporisika ary tsy mampianatra ireo olona tarihany. Dia tsy mahagaga raha marefo ara-panahy ny maro ary tsy tonga saina amin’izany akory (Heb. 5:11-14).

Fanontaniana mahakasika ny teolojia

Misy fanontaniana fototra vitsivitsy tsara valiana ireto mahakasika ny fahalalana momba ny teolojia. Ny famalianao ireto fanontaniana ireto mazava sy mahitsy araka izay tratra no hanokatra ny fijerinao sy hamporisika anao hamantatra ny teolojia:

  • Inona moa no antsoina hoe teolojia?
  • Natokana ho an’iza ny fahalalana momba an’Andriamanitra?
  • Manana faniriana hahafantatra izay inoanao ve ianao?
  • Mangetaheta hitombo amin’ny fahalalana ny Soratra Masina ve ianao?
  • Raha tsorina dia hoe mila teolojia ve ny mpino Kristiana?

Fanontaniana mila valiny ireo, ary raha Kristiana tena izy ianao dia mahalala fa mitana toerana manokana eo amin’ny andavan’androm-piainanao ny fisainana momba an’Andriamanitra. Andriamanitra no ivon’ny fiainan’ny mpino rehetra sy manontolo ka tsy azo heverina mihitsy izany hoe Kristiana miaina ny fiainany isan’andro kanefa manao ankilabao ny momba an’Andriamanitra rehetra izany. Dia miverina mametra-panontaniana indray isika hoe iza na inona moa no inoanao? Nahoana no ilazanao fa mpino Kristiana ianao na ny olona iray fantatrao? Ny finoana velona dia finoana mahafantatra ny iantefan’izany finoana izany (2 Tim. 1:12), ary miako eo amin’ny faribolam-piainany manontolo izany (Jak. 2:26).

Ny lanjan'ny teolojia kristiana

Boky Fampianarana Teolojia Kristiana

Izahay eto amin’ny Andeha Hizaha dia manolotra lahatsoratra hahafantaranao ny lanjan’ny teolojia – na ny teny na fahalalana momba an’Andriamanitra – eo amin’ny fiainan’ny olona, indrindra fa ny mpino Kristiana. Tsy azo hiadian-kevitra fa mihena dia mihena tokoa ny fanomezana lanja manokana izany eny anivon’ny fiangonana samihafa. Ny toriteny malaza amin’izao dia izay mampientanentana sy manafosafo ny mpihaino, hany ka mamokatra mpivavaka tsy mahafantatra na inona na inona ny amin’izay anton’ny hivavahany ny fiangonana maro. Rehefa atao ny fanadihadiana dia ambany be ny tahan’ny fananan’ny olona kolontsaina ara-Baiboly. Rononom-panahy lava no anazarana ny mpino maro, izany hoe tsy misy vetin-kanina. Ka raha vao milaza teny mahakasika ny fampianarana fototra amin’ny maha-Kristiana (oh. fanavotana), dia very tanteraka izy ireo. Mampalahelo dia mampalahelo tokoa izany zava-misy izany. Anjarantsika no miheritreritra kanefa tsy tokony hieritreritra fotsiny isika fa tsy maintsy manao hetsika hanovana izany satria tsy sitrapon’Andriamanitra izany.

Fampianarana fotory ny teolojia kristiana

Fanombohana ireo lahatsoratra mbola ho avy mahakasika ny teolojia ity vakianao ity fa harindranay miandalana eo ihany ny lahatsoratra hafa izay hiresahana manokana ireo singa isan-karazany ao anatin’izany. Hobanjinintsika manokana eto ny momba ny toetran’Andriamanitra toy ny fahamasinany, holalovantsika koa ny momba ny olom-belona toy ny fahotana, ao koa ny momba an’i Kristy toy ny famonjena, ary ny momba ny Fanahy Masina, sns. Ho fehiny dia tsara ho fantatrao fa rehefa misaina sy miresaka momba an’Andriamanitra ianao dia efa manao teolojia no dikan’izany. Ny Baiboly no fototra hiaingantsika hamantarana sy hianarana an’izany rehetra izany.

Ny teolojia sy ny fanaovam-pianatra

Fitomboana amin'ny Teolojia Kristiana

Tsy afaka hitombo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ny olona iray raha tsy mitombo amin’ny fahafantarana Azy. Izay tia dia manana fo sy faniriana ary finiavana hamantatra ilay tiana. Tsy misy toerana ho an’ny tsy firaharahiana (indifférence) sy tsy fahafantarana (ignorance) mihitsy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary raha vao tonga ao amin’i Kristy ny olona iray dia taomina “hifankazatra” amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ny vavaka, ny fitsaohana, sns izy. Tena tontolo hafa sy vaovao no iainana rehefa Kristiana ianao (2 Kor. 5:17).

Hojerentsika manaraka eto ny lohahevitra mahakasika ny fiovam-po (conversion). Taomina ary ianao mba hitsidika matetika ity tranonkala misy ny blaogy ity na handefa hafatra mivantana mankaty aminay amin’ny alalan’ny email. Raha ity farany ity no mahaliana anao dia hampahafantarinay avy hatrany amin’ny alalan’ny email ihany koa ianao isaky ny mamoaka lahantsoratra vaovao izahay. Tsidiho ny pejy https://www.andehahizaha.org/contact/ hahafahanao manao izany.

Misy boky (ressources) fototra azonao vakiana ireto mba hanampy anao amin’izany dia (voyage) am-pinoana amin’ny fianarana sy fiainana ny finoana kristiana izany. Tsy mora na mandeha ho azy ny fiainana kristiana fa ny tenin’ny Tompo dia hoe “Izay fatra-pitady Ahy dia hahita Ahy” (Oha. 8:17).

Ny ABC an'ny Teolojia Kristiana

Boky nosoratan’i Charles C. Ryrie, nadika avy amin’ny teny anglisy mitondra ny lohateny hoe “Basic Theology”. Manazava ireo fampianarana fototra ijoroan’ny finoana kristiana manoloana ireo hevitra sy fomba fijery maro eo amin’ny tontolo misy antsika ankehitriny.

https://www.xl6.com/articles/9782826033349-abc-de-theologie-chretienne

Teolojiana ny Olona Tsirairay (Kristiana)

Ity boky ity kosa dia nosoratan’i R. C. Sproul, izay malaza tamin’ny fampianarana momba ny fanitsim-pivavahana (théologie réformée). Milaza ireo zavatra rehetra tokony ho fantatrao mahakasika ny fampidirana amin’ny teolojia kristiana, ary manamafy koa fa ny olona rehetra dia teolojiana avokoa.

https://www.ligonier.org/store/everyones-a-theologian-hardcover

Signature
FacebookTweetWhatsApp

Related

andriamanitrabaibolydiscipleshipfinoanakristianateolojia

Navigation de l’article

Publication précédente
Publication suivante

Recherche

banner-round

“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny Teninao.” — Salamo 119:105

  • info@andehahizaha.org
  • +261 3367 67986
  • support.andehahizaha
bible-project

Catégories

  • Andriamanitra (3)
  • Baiboly (2)
  • Boky (1)
  • Citations (1)
  • Fiainana Kristiana (3)
  • Fiangonana (3)
  • Finoana (1)
  • Haitarika (1)
  • Jesoa Kristy (1)
  • Média (1)
  • Soratra Masina (5)

Andeha Hizaha Discipleship

Andeha Ho Mpianatr'i Jesoa
Revenir en haut
Fièrement propulsé par WordPress | Thème : Memory par GretaThemes.
Andeha Hizaha Discipleship
  • Accueil
  • Soratra Masina
    • Andriamanitra
    • Jesoa Kristy
    • Fanahy Masina
    • Fiangonana
    • Vavaka
  • Fiainana Kristiana
    • Tanora
    • Fianakaviana
    • Finoana
    • Fanompoana
    • Haitarika
  • Ressources
    • Baiboly
    • Boky
    • Fampianarana
    • Média
    • Citations
  • Iza Moa Izahay?
  • Contact

banner-round

Tsy ho diso zava-tsoa izany mihitsy tsy akory izay miankina feno amin’i Jesoa.

signatue-1

Coppyright © 2025 GretaThemes