fbpx
Aller au contenu
mobile-logo
  • Accueil
  • Soratra Masina
    • Andriamanitra
    • Jesoa Kristy
    • Fanahy Masina
    • Fiangonana
    • Vavaka
  • Fiainana Kristiana
    • Tanora
    • Fianakaviana
    • Finoana
    • Fanompoana
    • Haitarika
  • Ressources
    • Baiboly
    • Boky
    • Fampianarana
    • Média
    • Citations
  • Iza Moa Izahay?
  • Contact
Andeha Hizaha Discipleship

Andeha Hizaha Discipleship

Andeha Ho Mpianatr'i Jesoa
  • Accueil
  • Soratra Masina
  • Fiangonana
  • Mizarazara ny Fiangonana
Fiangonana,Soratra Masina
06/01/2024

Mizarazara ny Fiangonana

Tsy zava-baovao ny fisian’ny hevitra samy manana ny azy sy ny samy maka ho azy teo anivon’ny fiangonana hatrany am-piandohana izay voalazan’ny Soratra Masina. Ireo Apostoly dia nanambara am-pahasahiana sy niady mafy ny amin’izany satria dia “Fanahy iray ihany” no nanaovam-batisa ny mpino marina an’i Jesoa Kristy. Izany dia midika ny maha-zavadehibe ny fiombonana sy firaisana eo amin’ny samy mpino.
Zavatra iray tokony hotsindrina aloha fa araka ny fanoharana nataon’i Jesoa tamin’ireo mpianany ao amin’ny Matio 13, dia misy fotoana amelan’Andriamanitra ireo mpino na ny Kristiana marina hiara-miaina miaraka amin’ireo tsy mpino ao anaty fiarahamonina na sehatra hifampitaizana iray. Tsy mahagaga raha toa ka ahitana tsy kristiana (na kristiana anarana fotsiny) koa ao am-piangonana, ary indraindray aza dia toa “maniry” tsara tokoa izy ireny raha jerena ety ivelany. Ny filazan’izy ireny ny tenany dia hoe “voatahy” na “mahomby”. Ireo kristiana anarany ireo dia ireo misora-tena ho mpino kanefa tsy mbola nandalo fibebahana, izany hoe tsy “manaiky ny herin’Andriamanitra”. Ireo fahasamihafana ifotony ireo no antony goavana miteraka ny fizarazarana.

Ireo mariky ny fizarazarana

Tady tapaka

Misy marika vitsivitsy hahafantarana io fizarazaran’ny Fiangonana io. Anisan’izany ny fandalàna sy fanomezana vahana ny kolontsaina ifampitondrana eto amin’izao tontolo izao hamolavola ny Fiangonana ihany koa. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny mpitarika fiangonana sy ny rafitra izay napetrak’Andriamanitra hanabe sy hitaiza ireo mpino ary hampivelatra ny fanjakany ety amin’izao tontolo izao. Rehefa miha-mahazo vahana eo anivon’ny fiangonana anefa ny fomba fanaon’izao tontolo izao, dia tsy mahalala intsony izay tena sitrapon’Andriamanitra ny mpino, ary lasa latsaka ao anaty “marimaritra iraisana” rahateo ny mpitarika, ka manjary manararaotra ny toerana sy ny fahefana hilany sitraka amin’olona fa tsy amin’ilay Mpahary intsony.
Ny Apostoly Paoly eto dia manambara mazava ny vokatra aterak’izany fanarahana na fanahafana an’izao tontolo izao izany. Rehefa mijery ny teny manodidina isika, dia manaitra ihany ny mahita izay voalaza ao amin’ny toko faha-11 amin’io bokin’ny Romana io eo amin’ny andininy faha-7, “fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafisina kosa ny fon’ny sisa”. Andriamanitra koa amin’ny fotoanany sy ny fombany dia mampiharihary io fizarazarana eo amin’ny Fiangonany io. Na dia eo aza izany fizarazaran’ny Fiangonana izany dia mahalala ny tena azy Andriamanitra.

Tsy fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra

Fiangonana mizarazara

Raha hiverenantsika ilay Romana 12:2 dia mandidy izay an’Andriamanitra i Paoly. Misy fahamarinana fototra tokony ho fantatry ny mpino tsirairay avy sy hinoany voambara ao. Raha vakiana maimaika ilay andinin-tSoratra Masina dia toa manambara ezaka ataon’ny mpino. Tsy izany anefa no tian’i Paoly ambara eto fa mahakasika ny fiovana izay efa an’ny mpino rehefa nateraka indray izy. Mampahafantatra sy mampahatsiahy eto ny Apostoly fa na dia miaina eto amin’izao tontolo izao (toerana) aza ny mpino, dia tsy natao ary tsy tokony hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao (rafitra sy toe-tsaina ary fomba amam-panao). Ny loharanon’ny finoana sy ny fiainantsika Kristiana amin’ny lafiny rehetra sy manontolo dia ny Soratra Masina irery ihany. Ny mahatonga ny sasany amin’ny fiangonana manaraka ny fanaon’izao tontolo izao dia ny tsy fahalalany ny sitrapon’Andriamanitra na ny Soratra Masina satria tsy mbola nateraka indray izy ka tsy mahalala ary tsy afaka hiaina ny “réalité” an’ilay tontolo vaovao ara-panahy nametrahan’Andriamanitra azy. Hoy ny Jaona 1:12 hoe tsy ny olona rehetra no zanak’Andriamanitra fa izay efa nanaiky (nandray na nitafy na nanolotra ny fiainany) an’i Jesoa tamin’ny finoana irery ihany.

Aiza ho aiza ny toerana misy anao?

Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: manana toerana ambony sy saro-pady eo amin’ny fiangonana misy anao ve ny Soratra Masina? Manao ny fandinihana, fandalinana sy fiainana ny Tenin’Andriamanitra amin-tahotra sy amim-panetrentena ve ny fiangonana misy anao? Inona no adidy sy andraikitra raisinao amin’ny fanoherana ny fidiran’ny kolontsain’izao tontolo izao eo anivon’ny fiangonana mba hamolavola ny sain’ny mpino? Andao koa hotsarovantsika fa mahatoky amin’ny Teniny Andriamanitra, ary izay tia an’i Jesoa Kristy dia mitandrina sy mankatoa ny teniny. Tsy ho tia amin’ny teny sy fahazarana fotsiny ihany anie isika tsirairay izay ao anatin’ny Fiangonana fa ho tia amin’ny atao rehetra (Jaona 14:15), amin’ny maha-izy antsika manontolo satria efa natokany ho “masina” ka tsy ho voazarazaran’izao tontolo izao sy ny filany.

Signature
FacebookTweetWhatsApp

Related

baibolyfiainanafiangonanafiarahamoninafizarazaranaizao tontolo izaokolontsainakristianampino

Navigation de l’article

Publication précédente
Publication suivante

Recherche

banner-round

“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny Teninao.” — Salamo 119:105

  • info@andehahizaha.org
  • +261 3367 67986
  • support.andehahizaha
bible-project

Catégories

  • Andriamanitra (3)
  • Baiboly (2)
  • Boky (1)
  • Citations (1)
  • Fiainana Kristiana (3)
  • Fiangonana (3)
  • Finoana (1)
  • Haitarika (1)
  • Jesoa Kristy (1)
  • Média (1)
  • Soratra Masina (5)

Andeha Hizaha Discipleship

Andeha Ho Mpianatr'i Jesoa
Revenir en haut
Fièrement propulsé par WordPress | Thème : Memory par GretaThemes.
Andeha Hizaha Discipleship
  • Accueil
  • Soratra Masina
    • Andriamanitra
    • Jesoa Kristy
    • Fanahy Masina
    • Fiangonana
    • Vavaka
  • Fiainana Kristiana
    • Tanora
    • Fianakaviana
    • Finoana
    • Fanompoana
    • Haitarika
  • Ressources
    • Baiboly
    • Boky
    • Fampianarana
    • Média
    • Citations
  • Iza Moa Izahay?
  • Contact

banner-round

Tsy ho diso zava-tsoa izany mihitsy tsy akory izay miankina feno amin’i Jesoa.

signatue-1

Coppyright © 2025 GretaThemes